Logos (kristianisma)
Ao amin' ny kristianisma, ny Logos dia anarana na anaram-boninahitr' i Jesoa Kristy, izay tsy inona, ho an' ny ankamaroan' ny Kristiana, fa persôna faharoa ao amin' ny Trinite, izay efa nisy talohan' ny fahatongavany ho nofo eto an-tany. Amin' ny teny grika io teny io dia soratana hoe Λόγος, sady midika ara-bakiteny hoe "teny" na "lahateny", nefa koa "antony", "faharanitan-tsaina". Adika hoe Teny izany ao amin' ny Baiboly amin' ny teny malagasy.
Ny teny hoe Logos dia nindramina avy amin' ny filôzôfia grika mba hanondroana an' i Kristy. I Joany evanjelista no heverin' ny maro fa voalohany nanome ny anaram-boninahitra hoe "Logos" an' i Jesoa ao amin' ny sasin-tenin' ilay filazantsara nosoratany (Joany 1:1-18). Avy tamin' izany no nivoahan' ny teôlôjia kristiana momba ny "Tenin' Andriamanitra": tonga nofo tao amin' ny tenan' i Jesoa Kristy ny Logos.
Amin' ny fomba fijery kristôlôjika, ny hevitra manao an' i Kristy ho ny Logos (avy amin' ny teny grika hoe: λόγος / logos, "teny", "fahendrena" na "fatorana") dia nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny fanamafisana ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy sy ny toerany amin' ny maha Andriamanitra Zanaka ao amin' ny Trinite azy araka ny voalaza ao amin' ny Fanekem-pinoana kalkedôniana (taona 451).
Izao ny voasoratra ao amin' ny andininy voalohany amin' ny Evanjely araka an' i Joany:
Tamin' ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin' Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. (Joany 1:1, Ny Baiboly Masina)[1].
Matetika ampiasaina ny tsy adika io teny hoe Logos amin' ny lahateny teôlôjika.
Araka ny voalazan' i Ireneo avy any Logdanoma (taona 130–202), izay mpianatr' i Pôlikarpôsy (taona 69–156), dia nanoratra ireo teny ireo manokana i Joany na Jaona Apôstôly mba hanoherana ny fampianaran' i Kerintôsy na Kerinto[2], izay nonina nsy nampianatra tao Efesôsy (na Efezy na Efeso), izay tanàna nonenan' i Joany (na Jaona) taorian' ny fiverenany avy tany an-tsesitany tany Patmôsy[3]. Raha nilaza i Kerintôsy fa nanao izao tontolo izao tamin' ny alalan' ny "Hery misaraka lavitra ... an' Andriamanitra Tsitoha", i Joany kosa, araka ny voalazan' i Ireneo, tamin' ny alalan' ny Joany 1:1-5, dia nanao an' ilay Andriamanitra Tsitoha ho ny Mpamorona – "tamin' ny alala' ny Teniny." Ary raha i Kerintôsy nanavaka an' i Jesoa amin' i "Kristy avy any ambony", izay nidina teo amin' ilay lehilahy atao hoe Jesoa tamin' ny fanaovam-batisa azy, i Joany kosa, araka ny voalazan' i Ireneo, dia nanambara fa ny Teny izay efa nisy mialoha sy i Jesoa Kristy dia iray ihany.
Ao amin' ny Apôkalipsy dia misy mpandray anjara antsoina hoe "Ny Tenin' Andriamanitra", ary arahin' ny hoe "tafika any an-danitra".
Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin' Andriamanitra. Ary ny antokon' ny miaramila any an-danitra dia nanaraka AZy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. (Apôkalipsy 19:13–14, Ny Baiboly)
Ny Logos teo amin' ny filôzôfian' ny Andro Taloha
[hanova | hanova ny fango]Ny Logos araka ny hevitr' i Herakleitôsy
[hanova | hanova ny fango]Ilay filôzôfa grika atao hoe Herakleitôsy avy any Efesôsy tamin' ny taonjato fahenina tal J.K. no toa voalohany nampiditra ny logos tao amin' ny filôzôfia. Nomeny tamin' ny voalohany ny hevitry ny hoe lahateny voasaina ny logos, avy eo naitany izany ka lasa nidika hoe "hevi-teny voasaina", ary amin' ny farany dia lasa nidika hoe "zava-misy voasaina" mifamatotra amin' ireo hevitra izay navondron' ny Pitagôrisiana manodidina ny hevitra momba ny refy, ny fifandanjana, ny firindrana ary ny gadona. Araka izany fomba fiheverana azy izany dia nanolotra ny fiheverana voasaina an' izao tontolo izao ampitovina amin' ny lalàny izay isehoan' ny zava-mitranga amin' izao tontolo izao izy. Raha fintinina, ny Logos, izay fandaharana azon' ny saina takarina, no lalàna tsy azo ialana sy tsy an' iza tsy an' iza no mifehy izao tontolo izao sy mitarika ny fivoarana tsy miaton' ny zavatra rahetra.
Ny Logos araka ny Stôikiana
[hanova | hanova ny fango]Ny Logos dia nitana toerana ara-pilôzôfia lehibe teo amin' ny Stôikiana, sekolim-pisainana naharitra taonjato maro, hatramin' i Kleantesy (taona 330-232), i Zenôna avy any Kitiôna (taona 301-262) ary i Krisipôsy (280-206) tao amin' ny tontolo grika talohan' ny kristianisma, ka hatramin' i Pôsidôniôsy (taona 135-51), i Seneka (taona 1-65), i Epiktetôsy (taona 50-130) ary i Marko Aorelio (taona 121-180), tany amin' ny tontolo rômana. Araka ny voalazan' ny Stôikiana fahiny, indrindra fa i Krisipôsy, dia araka ny Logos-n' izao rehetra izao no itantanana ny zava-drehetra. Fitondrana araka an' Andriamanitra izao tontolo izao izany, izay ifehezana ny zava-drehetra, afa-tsy ny faharatsiana ara-môraly, fitondrana lazaina indraindray ho fitsimbinana. Ny Logos, izay anarana hafan' ny "tsy azo ihodivirana", no saina mitondra izao rehetra izao, izay ao anatin' ny Kosmos, mitovy aminy, tsy nateraka ary tsy mety simba. Avy aminy no iavian' ny hery rehetra, ny aina rehetra, ny saina rehetra; izany no mahatonga ny tsy fiovaovany sy ny maha tsy azo ihodivirana ny lalàn' ny natiora. Ny sain' ny olona tsirairay dia tsy inona fa izy ary hita ao aminy. Ny Logos, izay antsoina koa hoe "fanahin' izao tontolo izao", dia ampitovina amin' ny Lahatra, amin' ny Fahamarinana, amin' ny Antony, amin' ny Natiora ary amin' ny Tsy azo ihodivirana. Atao hoe hery pneomatika (na ara-panahy) koa izany. Voalaza fa mbola velona izy, tsy mety maty, mahay mandanjalanja, lavorary, marani-tsaina, fanahy, mpandrindra ny zava-drehetra, nefa tsy namorona azy ireo, na rain’ izy ireo, nefa tsy manana endrik' olombelona. Manara-maso ny tontolo izay idirany amin' ny faritra rehetra ao aminy izy, izay iasany ao anatin' ny zavatra rehetra, ary izay izy no fototry ny fiainany. Noho izany dia Andriamanitra mitsinjo sy mikarakara ny olona izy, mifandray amin' izy ireo, ary azon' ny rehetra itodihana amin' ny vavaka ataon' ny tsirairay. Ny Stôikiana, izay nihevitra ny Logos ho nifehy an' izao rehetra izao manontolo, dia nanatsoaka hevitra fa ny olombelona lavorary dia ilay mifanaraka amin' io Lalàna ao amin' izao rehetra izao io; ny Stôikiana koa dia nanavaka ny Logos anatiny (endiathètos) sy ny Logos mivoaka ivelany (prophétikos).
Tatỳ aoriana, tamin' ny taonjato fahatelo, i Ameliôsy, izay filôzôfa paganista, izay mpianatr' i Plôtinôsy (taona 205-270), dia nampitovy ny Logos-n' i Herakleitôsy sy an' ny Stôikiana amin' ny an' ny Kristiana.
Ny Logos araka an' i Filôna avy any Aleksandria
[hanova | hanova ny fango]Ilay teôlôjiana sy filôzôfa jiosy atao hoe Filôna avy any Aleksandria (taona 20 tal. J.K., 45 taor. J.K.) dia nanoratra betsaka momba ny Logos tamin' ny fomba mampahatsiahy ny teôlôjian' ny Testamenta Vaovao. Ohatra, ny fampianarany hoe "ny Tenin' Andriamanitra no fehin' ny zavatra rehetra, izay mihazona ny zavatra rehetra sy mamehy ny lafiny rehetra ka misakana azy ireo tsy ho levona sy tsy hisaraka", dia mitovy amin' ny ao amin' ny Kôlôsiana 1:17 : "Izy no talohan' ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan' ny zavatra rehetra."
I Filôna dia nihevitra an' Andriamanitra ho mihoa-draha, mifandray amin' izao tontolo izao sy amin' ny olombelona amin' ny alalan' ny andiana mpanelanelana avy amin' Andriamanitra izay ahafahan' Andriamanitra miasa amin' ny matiera sy mampanatanteraka ny baikony nefa manapotraka ny tenany amin' ny fidinana hanao ireo asa ireo. Araka ny filazany, ny Logos mandrakizay no avo indrindra amin' ireo mpanelanelana ireo, ny Zanany lahimatoa, tsy hita maso, mpanao, foto-javatra ao amin' ny fahavokarana rehetra, môdely fakan-tahaka amin' izao tontolo izao; amin' ny alalany no amoronana sy iambenan' Andriamanitra ny zavatra rehetra. Ataon' i Filôna fa ny tontolon' ny Hevitra platônika dia itsy inona fa ny Logos-n' Andriamanitra izay mamorona sy mandamina ny drafitry ny zavatra rehetra alohan' ny hamoahany azy ireo ety ivelany mba hahatanteraka azy ireo. Ny fiheveran' i Fiôna ny Logos dia manana toerana anelanelan' ny an' i Hesiôdôsy sy ny an' ny Stôikiana ary ny an' ny kristianisma, satria ny Logos araka an' i Filôna dia manana toerana ambany noho Andriamanitra, toy ny Andriamanitra faharoa eo ambany fahefany, toy ny alokany, tahaka ny fitaovany eto amin' izao tontolo izao izay miaty mandrakizay ny voan' ambioka sy ny antony tsy hita maso.
Ny Dabar ao amin' ny Baiboly hebreo
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny fitantaran' ny Genesisy dia ny Tenin' Andriamanitra (Dabar amin' ny teny hebreo) no namorona.
Mandrakizay ny Tenin' Andriamanitra (Isaia 40:8: "Maina ny ahitra, mihintsana ny voniny, fa ny tenin' Andriamanitsika kosa haharitra mandrakizay").
Miasa amin' ny fifandraisana amin' ny olombelona (Salamo 147:15 : "Mandefa ny didiny ho etỳ an-tany Izy; mandeha haingana ny teniny).
Aseho ho Mpamorona koa izy (Salamo 33:6: "Ny tenin' i Jehovah no nanaovana ny lanitra, ary ny fofonain' ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra").
Ny Logos ao amin' ny Septoajinta
[hanova | hanova ny fango]Ny fanondroana sasany ny teny hoe logos ao amin' ny Septoajinta na Septanta ao amin' ny teôlôjia kristiana dia raisina ho tandindon' ny fampiasan' ny Testamenta Vaovao toy ny Salamo 33:6, izay mifandray mivantana amin' ny fitantarana momba ny famoronana ao amin' ny Genesisy. I Teôfilôsy avy any Antiôkia dia miresaka momba ny fifandraisana ao amin' ny To Autolycus 1:7[4].
Nanazava ny Salamo 33:6 i Ireneo avy any Logdanoma fa "Andriamanitra tokana, dia ny Ray, tsy natao, tsy hita, nahary ny zava-drehetra ... nahary ny zavatra izay natao .... tamin' ny alalan' [ny] Teny sy "nandravaka ny zavatra rehetra... tamin' [ny] Fanahy". . Hoy koa izy: "mendrika ny atao hoe Zanaka ny Teny, ary ny Fanahy dia fahendren' Andriamanitra"[5].
Hitan' i Ôrigenesy avy any Aleksandria tao koa ny fiasan' ny Trinite, zava-miafina nasehon' i Davida mpanao salamo mialoha[6]. I Aogostino avy any Hipôna dia nihevitra fa ao amin' ny Salamo 33:6 dia samy "manakaiky ny ho lasa persôna" ny logos sy ny pneuma[7].
Τῷ Λόγῳ τοῦ Κυρίου οἱ Οὐρανοὶ ἐστερεώθησαν, καὶ τῷ Πνεύματι τοῦ στόματος αὐτοῦ πᾶσα ἡ δύναμις Αὐτῶν
/Tiô Logiô toû Kuriou oi Ouranoi estereôthêsan, kai tiô Pneumati toû stomatos autoû pâsa ê dunamis Autôn/
Ny tenin' ny Tompo no nanaovana ny lanitra; ary ny fofon' ain' ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra. (Salamo, 33:6, Ny Baiboly Masina)
Ny dikan-teny atao hoe Septoajinta na Septanta, izay fandikana amin' ny teny grika ny bokin' ny Testamenta Taloha, indraindray dia mampiasa ny teny hoe logos izay adika matetika amin' ny hoe "teny". Miseho impolo ao amin' ny Salamo dimy io teny hoe logos io, ary intelo ao amin' ny Bokin' ny Fahendrena.
"Ny Logos-n' i Tompo dia mahitsy." (Salamo 32: 4). "Ny Tompo no nanao ny lanitra tamin' ny alalan' ny Logos-ny" (Salamo 32: 6). "Nandefa ny Logos-ny Izy ka nahasitrana azy ireo" (Salamo 106: 20). "Vonjeo amin' ny Logos-nao aho” (Salamo 118: 25 ). "Manantena ny Logos-nao aho." (Salamo 118, 81). "Ny Logos-nao mitoetra mandrakizay" (Salamo 118: 89). "Fanilon' ny diako ny Logos-nao." (Salamo 118: 106 ). "Vonjeo amin' ny Logos-nao aho" (Salamo 118: 107). "Manantena ny Logos-nao aho.” (Salamo 118: 114). "Ny fanahiko miandry ny Logos-nao." (Salamo 129: 5).
"Ry Andriamanitry ny razanay sy Tompon' ny famindram-po, Hianao izay nahary ny zavatra rehetra tamin' ny Logos sy nanao ny olona tamin' ny fahendrenao.” (Fahendrena 9: 1-2). "Ny Logos-nao, Tompo ô, no mamonjy ny rehetra" (Fahendrena 18: 15). "Nony efa mby akaiky ny alina, dia nidina avy any an-danitra ny Logos tsitoha avy amin' ny seza fiandrianany”. (Fahendrena 18: 15). "Ny Logos-n' Andriamanitra no loharanon' ny fahendrena." (Mpitoriteny 18: 15)[8].
Ny Logos ao amin' ny Testamenta Vaovao
[hanova | hanova ny fango]Literatiora jôhanika
[hanova | hanova ny fango]Nilaza i Stephen L. Harris fa namboamboatra ny hevitr' i Filôna momba ny Logos i Joany, ka nilaza fa i Jesoa dia fahatongavana ny Logos ho nofo, dia ny Logos-n' Andriamanitra izay namorona izao rehetra izao[9].
Raha ny Joany 1:1 amin' ny ankapobeny no heverina ho firesahana voalohany momba ny Logos ao amin' ny Testamenta Vaovao, dia azo inoana fa ny fanondroana voalohany dia hita ao amin' ny Bokin' ny Apôkalipsy. Ao anatin' izany ny Logos dia lazaina ho "ny Tenin' Andriamanitra", izay mitaingina soavaly fotsy amin' ny Fiaviana Fanindroany ho any amin' ny Adin' i Hara-magedôna mitafy satroboninahitra maro, ary antsoina hoe "Mpanjakan' ny mpanjaka" sy "Tompon' ny tompo":
Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin' Andriamanitra [...] Ary manana anarana voasoratra amin' ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo. (Apôkalipsy 19:13,16, Ny Baiboly)[10]
Ny lohahevitra ao amin' ny Joany toko voalohany dia velabelarina ao amin' ny Taratasy voalohany nosoratan' i Joany (1 Joany)[11]. Mitovy amin' ny Joany 1:1-5, ny 1Joany 1:1 koa dia manondro ny fiandohana (grika: archē) sy ny Teny (grika: ho lógos). Ny 1Jaona 1 dia tsy miresaka momba ny fahariana (jereo ny Joany 1:3) fa manitatra amin' ny foto-kevitra roa hafa hita ao amin' ny Joany 1:4, dia ny momba ny fiainana sy ny fahazavana (1Joany 1:1–2, 5–7). Toa toy ny hoe ny fehezanteny voalohany ao amin' ny 1Joany 1:1 hoe "izay nisy hatramin' ny voalohany" ihany àry no manondro ny Teny talohan' ny nahatongavany ho nofo. Ny ambiny amin' ny 1Joany 1 dia mamaritra ny Teny tonga nofo:
Izay efa nisy hatramin' ny voalohany, sy efa renay, efa hitan' ny masonay, efa nodinihinay, ary efa notsapain' ny tànanay, dia ny Teny fiainana. (1Joany 1, Ny Baiboly Masina).
Lioka
[hanova | hanova ny fango]Tahaka ny Joany 1:1-5 dia manondro ny fiandohana sy ny teny koa ny Lioka 1:1-2:
Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin' ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa, araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin' ny voalohany (Lioka 1:1-2, Ny Baiboly)
I David Lyle Jeffrey[12] sy i Leon Morris[13] dia nahita firesahana momba an' i Jesoa Kristy ao amin' "ny teny". Na izany aza, io andinin-teny io dia tsy mampiseho ny teôlôjia manan-danja mitovy amin' ny Logos izay aseho ao amin' ny Evanjelin' i Joany. Raha ny teny manodidina no heverina dia miresaka momba ny hafatry ny filazantsara momba an' i Jesoa sy ny fampianarany izy io, fa tsy momba ilay anaram-boninahitra na ny maha-izy azy[14][15].
Ny Logos tao amin' ny kristianisma taorian' ny Kônsilin' i Nikea
[hanova | hanova ny fango]Namoaka didy ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpla tamin' ny taona 381 fa ny Logos dia Andriamanitra, sady nateraka koa noho izany dia miavaka amin' ny Ray, nefa amin' ny maha Andriamanitra azy, dia iray sobstansa amin' ny Ray.
Nolavin' i Fôtinôsy ny filazana fa efa nisy talohan' ny nahaterahan' i Kristy ny ny Logos, amin' ny maha Fahendren' Andriamanitra azy[16].
Niady mafy tamin' ny fanontaniana momba ny maha-izy an' i Jesoa sy ny Logos ny mpanoratra kristiana taorian' ny Apôstôly, saingy tsy niova mihitsy ny fampianaran' ny Fiangonana izay milaza fa i Jesoa no Logos. Samy namaritra an' i Jesoa Kristy ho Andriamanitra feno sy olombelona tanteraka ny kônsily ekiomenika enina voalohany, nanomboka amin' ny Kônsily voalohany tao Nikea (taona 325) ka hatramin' ny Kônsily fahatelo tao Kônstantinôpla (taona 680–681)[17]. Ny kristianisma dia tsy nanaiky ny hevitra platônika hoe "tsara ny fanahy ary ratsy ny nofo, koa noho izany dia tsy mety ho Andriamanitra ilay olombelona atao hoe Jesoa". Tsy nanaiky na inona na inona avy amin' ny finoana platônika izay mety hanao an' i Jesoa ho ambany noho Andriamanitra feno sy olombelona tanteraka tamin' ny fotoana iray ihany koa ny Fiangonana. Izao ny fampianarana tany am-boalohany ao amin' ny Filazantsaran' i Jaona: "Tamin' ny voalohany ny Logos, ary ny Logos dia tao amin' Andriamanitra, ary ny Logos dia Andriamanitra… Ary ny Logos dia tonga nofo ka nonina tamintsika”[18]. Ny kristôlôjian' i Kalkedôna farany (nohamafisin' ny Kônsily fahatelo tao Kônstantinôpla) dia ny hoe Jesoa Kristy dia sady Andriamanitra no olombelona, ary ireo toetra roa ireo dia tsy azo sarahina, tsy azo zaraina, tsy mifangaro ary tsy miova[19].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Ny ao amin' ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy io, fa izao kosa ny andikan' ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy izany: "Tamin' ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin' Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra."
- ↑ Irenaeus. "Against Heresies, 3.11".
- ↑ Irenaeus. "Against Heresies, 3.3.4".
- ↑ Oskar Skarsaune. In the shadow of the temple: Jewish influences on early Christianity. p. 342
- ↑ Irenaeus, Demonstration of the Apostolic Preaching, 5
- ↑ Origen, De Principiis, 1.3.7, 4.30
- ↑ Augustine. The Trinity. Edmund Hill, John E. Rotelle 1991. p. 35
- ↑ (grk) Rahles Hanhart, Septuaginta, Gottingen , Bristol, Vandenhoeck et Ruprecht, 2016, Psalmi 32, 106, 118, 129 et Sapientia 9, 16, 18 et Ecclesiastes 18..
- ↑ Harris, Stephen L., Understanding the Bible. Palo Alto: Mayfield. 1985. "John" pp. 302–310
- ↑ Izao izany ao amin' ny Baiboly katôlika: "Akanjo nipentina rà no niakanjoany, ary Ny Tenin' Andriamanitra no anarany; [...] izao no anarany voasoratra tamin' ny lambany sy ny feny: Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo." (Apôkalipsa 19:13,16, Ny Baiboly Masina)
- ↑ John Painter, Daniel J. Harrington. 1, 2, and 3 John. 2002. p. 131. "The opening verse of the Gospel shares with 1 John 1:1 the important words arche, 'beginning', and logos, 'word'."
- ↑ Jeffrey, David L. A Dictionary of biblical tradition in English literature. 1992. p. 460 "in his reference to 'eyewitnesses, and ministers of the word' (Luke 1:2) he is certainly speaking of the person as well as the words"
- ↑ Morris, Leon. The Gospel according to John. 1995. p. 124 "when Luke speaks of those who were 'eyewitnesses and servants of the word' (Luke 1:2), it is difficult to escape the impression that by 'the word' he means more than the teaching."
- ↑ Joel B., Jeanne K. Brown & Nicholas Perrin. Dictionary of Jesus and the Gospels. InterVarsity Press, 2013, p. 524.
- ↑ Dunn, James D. G. "Neither Jew nor Greek: Christianity in the Making, Volume 3" Wm. B. Eerdmans, 2015, p. 355.
- ↑ C. W. Wolfskeel. Introduction to De immortalitate animae of Augustine: text, translation and commentary. 1977. p. 19
- ↑ New Advent Catholic Encyclopedia: The 21 Ecumenical Councils.
- ↑ Joany 1:1;14. nosisihana teny grika
- ↑ Macleod, Donald. The Person of Christ. Downers Grove: Intervarsity Press. 1998. p. 185.